4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vol 2. setrin'ny fitia - Ny Antsa Fitiavana

Reférence :

« Raha amin’izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika. » (1 Korintiana 15:19)

    

-------------------------------------------------------------------



1. Hatraiza Jesoa izao fahoriako izao

Hatraiza no mbola hizakàko izao fijaliana izao

Fa mavesatra toa tsy ho tantiko

Valio re fa mila hampamoy fo



2. Ireo namako mikoràna avokoa

Ny hafa tazaniko indray toa feno zavatsoa

Tsy mba misy ahiana amin’ny fiainana

Na dia tsy miaraka Aminao



AMPIO AHO JESOA MBA HANOA NY FITONDRANAO

OMEO HERY MBA AHAZAKAKO IZAO

NA MAFY AZA DIA TSY HANDAO ANAO

HIBANJINA HATRANY ILAY FIAINANA MANDRAKIZAY

AMPAHATSIAROVY FA MAHANTRA INDRINDRA AHO

RAHA ETO IHANY NO ILAKO ANAO





3. Tsaroako ny taloha, hafaliana sy lalao

Nantenaiko ho soa noho izany ny miaraka Aminao

Hay enjika sy fankahalàna koa

No setrin’ny Fitia nafafiko



AMPIO AHO JESOA MBA HANOA NY FITONDRANAO

OMEO HERY MBA AHAZAKAKO IZAO

NA MAFY AZA DIA TSY HANDAO ANAO

HIBANJINA HATRANY ILAY FIAINANA MANDRAKIZAY

AMPAHATSIAROVY FA MAHANTRA INDRINDRA AHO

RAHA ETO IHANY NO ILAKO ANAO



Fa rahatrizay mbola hifaly aho

Rehefa tonga eo anilanao.







Tonony sy Feony : RAKOTONANAHARY Fanomezantsoa Haritiana

(JONA 2004)

Partager vol 2. setrin'ny fitia

Commenter vol 2. setrin'ny fitia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Antsa Fitiavana

Suite